Préface du Pr. J.ANDRIANJATOVO (dit "TRIMOBE"):  (version française)

       Tolo-teny ho an'ny mpiofana ho mpitsabo, sy ny mpitsabo am-perinasa ao Madagasikara

       Ry sakaiza,

      " Raha mila hery, hono, aingaina ny tanora, ary raha mila hevitra, aikaina ny zokiolona".


      Koa sady adidiko no reharehako, amin'ny maha-zoky tranainy ahy, ny manao teteza-mita vetivety  aminareo aty an-tanindrazana sy  ny namana "mpila ravinahitra" zary monina ivelan'ny Nosy.


      Nihinana "voamahatsiahy" mantsy ireo zokinareo ireo fa tsy nitelina "voamanadino" tsy akory, hany ka tsy tapaka izy milaza amiko izay vaovao momba azy sy ny fizotran'ny asany ary indrindra ny fiahiany mandrakariva an'eritreritra anareo vato namelan-kafatra.


      Ny farany nefa tsy ny kely indrindra amin'izany vaovao izany, dia ny nilazan-drizareo  tamiko fa miorina ankehitriny ny Fikambanana Trimobe sy ny lasy fifandraisana "an-tranonkala" http://www.trimobe.org


     Ny hataony matoan-dahasa dia ny fanampiana ny mpianatra ho dokotera sy ny dokotera aty Madagasikara, ary ny voaloham-bainga vavolombelon'ny mpiasa dia ny fanolorana "bibliothèque" an-tendri-lavitra ho anareo solofo dimbin'ny ala.

 

     Tsy izany moa no atao hoe "masa-bary maito kitohizana"? Fony aho mbola nikatroka no nekeko ho vaindohan-draharaha ny fifandraisana amin'ny hafa (ary tao anatin'izany ireo firenena mpikambana amin'ny AUPELF), sy ny fanavaozana ny "bibliothèque" ho an'ny mpiofana ho mpitsabo.


    Ankehitriny, dia tanterahin'ireto zokinareo ireto ilay hoe"izay nandray be dia aoka hanome be".


    Koa tsy haiko ny hangina ka tsy hankasitraka sy hampirisika izao hetsika mahavelom-   bolo izao.

    Ary dia ampiarahiko amin'ny fankatelemako ny firariako hoe: "Mba ho iny anie no santatra am-bavarano harahin'ny manetsa be mbola ho avy"!

 

             

 

 

Professeur J.ANDRIANJATOVO

 

Le mot de la Présidente: 

C’est un grand honneur pour moi que de vous présenter l’association « TRIMOBE » qui a été mise en place après des retrouvailles avec des anciens élèves de la Faculté, et de l’Ecole de Médecine d’Antananarivo.

 

Elle a été créée à l’instigation de notre Doyen M.le Professeur ANDRIANJATOVO, qui a dirigé la Faculté  de Médecine d’Antananarivo de 1979 à 1994.

 

Durant ses mandats, il a toujours cherché à développer la Bibliothèque Médicale Universitaire.

 

C’est dans un esprit de  partenariat et avec une volonté de partage des connaissances et d’échange que se situe une des principales missions de notre association :

 

-Permettre aux étudiants et Médecins restés à Madagascar d’accéder aux moyens qui leur font souvent défaut.

 

-Permettre aux étudiants, et aux Médecins installés outremer de recevoir des enseignements des confrères de Madagascar, gardant ainsi le contact avec les réalités de la Grande Ile.

 

 

Au-delà du corps Médical, cette association est ouverte à toute personne éprouvant un intérêt pour la Médecine, ou tout simplement aux amoureux de Madagascar.

 

La Présidente E.ANDRIANANJA (Keke)

 

Le statut de l'association: (lire...)

 

La Bibliothèque Médicale Universitaire:

Voici la liste des ouvrages de la bibliothèque du CHU de Tana:

Vous verrez qu'il y a vraiment urgence à faire quelque chose.

KEKE. 

 Cliquer ICI pour accéder à la liste

 

 

                                                                            

                                                  

retour à l'accueil

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

L'association TRIMOBE
© 2019 association TRIMOBE