Miarahaba ny rehetra,
Vita soa aman-tsara ny fandidiana ny kambana mirahalahy.
Dingana voalohany izay.
Antenaina fa handroso hihatsara izy roa lahy.
Araraotina ny hafalian'ny rehetra ampahatsiahivina fa mila fitaovana ny "chirurgie pédiatrique" Malagasy.
Mba ampitampitao ny hafatra, sao mba misy afaka manome fitaovana sy fanampiana any amin'ny olom-pantarareo any.
Santionan'ny lisitry ny zavatra ilaina:
- 2 respirateurs pédiatriques
- aspirateurs électriques
- pousse seringues électriques
- Monitorings
- scopes
Alefaso any amin'ny:
Ambassade de Madagascar-opération Siamois
4 avenue Raphael 75016 Paris
ny fanomezana.
Andriamatoa Ambassadeur sy solon-tenan'ny fikambanana 3 ato anatin'ny Collectif no manara-maso ny fandehan'ny vola sy ny fitaovana omen'ny olona;
Iezahana hangarahara ny zavatra rehetra. Marihina fa sady tsy manao politika no tsy miankina amin'ny antokom-pinoana ny Collectif
Misaotra mialoha tompoko.
Aza misalasala raha misy fanontaniana hafa.
Pr Lalatiana ANDRIAMANARIVO: andrialalat@yahoo.fr
Sonia :COLLECTIF SOLIDARITE BEBE SIAMOIS MALGACHES
cellule "COMMUNICATION"
Dr Jean ANDRIAMANANAIVO (06 20 05 60 66) tanimamy@hotmail.com
Dr Karl RADAODY (06 87 99 35 40) webmaster@trimobe.org